Brochettes de zébu aux légumes

Kitonotono kely indray fa zoma ny andro. Azontsika hatao tsara amin’ny fetiny isan-karazany mifanesy. Mitovitovy amin’ilay recette de brochettes de coeur de boeuf aux legumes ihany. Inty ary ny brochettes de zébu aux légumes.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hiketrehana azy: 15 mn

Fotoana hikarakarana azy: 2 h 15 mn.

Akora Ilaina

  • Nofoken’omby;
  • sauce soja;
  • huile, sel, ail, gingembre, poivre;
  • papaye (facultatif);
  • poivrons;
  • tomates, oignons.

Fomba fikarakarana brochettes de zébu aux légumes

  1. Tetehina « en dés » ny nofoken’omby . Lomana sauce soja sy huile sy sel kely sy ail sy gingembre sy  poivre mandritry ny 2h . Raha sendra mafy ny hena dia fonosina ravina papaye ny hena milona na asiana papaye manta voatetika vaventy.
  2. Tetehina « en dés » koa ny poivron sy oignons ary tomates.
  3. Asesika amin’ny piques ny hena ka elanelanina amin’ireo légumes.
  4. Atono amin’ny afo tsy dia mahery be ho masaka tsara.
Brochettes de zébu aux légumes
Brochettes de zébu aux légumes

Fanamarihana

  • Tsy adino ny Sauce voanjo.
  • Atao tsaky toaka na ampiarahina amin’ny labiera.

Mazotoa homana!

Nanolotra: Rova Andriantsoa.