Entrée classique be nefa tiany zaza ka io no vita anio: Poisson à la belle vue.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Ovy,
- Nofo-trondro,
- Sel, vinaigre, oignon,
- Mayonnaise,
- Oeufs
- Tomates

Fomba fikarakarana poisson à la belle vue
- Andrahoina ny ovy, toy izay koa ny nofo-trondro. Samy potserina dia avela hangatsiaka ary afangaro.
- Asiana sel sy vinaigre kely ary oignons voatetika madinika sy mayonnaise.
- Ravahana oeufs durs sy tomates.
Fanamarihana
- Azo asiana persil na ciboulette fa teto tsy nasiana fa leo ny ao an-trano.
- Rehefa misy vahiny dia na pâté na crevettes na chair de crabe no atao amin’ny oeufs mimosa.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.