Boulettes chinoises

Tao aorianan’ny Boulettes de carotte sy Boulettes aux pommes de terre ary Boulettes de viande de boeuf hachée au riz dia ity ndray ary ny Boulettes chinoises.

Isany: 25 boulettes

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 10 mn

Akora ilaina

  • 250 g de viande de bœuf,
  • 1 oeuf,
  • 2 cuillère à soupe de fécule de manioc,
  • 2 cuillère à soupe de sauce soja,
  • 1/2 cuillère à café de sel,
  • 1 cuillère à soupe de sucre,
  • 2 cuillère à soupe de céleri,
  • huile, eau,

Fikarakarana Boulettes chinoises

  1. Miaraka mixer-na ny 250g nofo-kena sy 1 oeuf sy 2 cuillère à soupe de fecule de manioc sy 2 cuillère à soupe de sauce soja sy 1/2 cuillère à café de sel sy 1 cuillère à soupe de sucre ary 2 cuillère à soupe de céleri voatetika madinika.
  2. Osorana menaka ny tanana ary volavolaina ny boulettes.
  3. Mampangotraka rano anaty vilany. Rehefa mangotraka tsara dia arotsaka ao ny boulettes ka esorina rehefa mitsingevana.
  4. Afanaina ny huile kely dia kely ary somary endasina ireo boulettes, tsy atao mendy fa mandimandina fotsiny.

Fanamarihana

  • Tsy mety soloina farine ny fecule de manioc fa lasa mafy be ny boulettes. Io fecule io no mahatonga azy malemy.
  • Misy sakafo izay mila ny fecule de manioc fa tsy ny sakafo rehetra anefa. Raha manao boulettes chinoises tsy misy fecule dia hafahafa satria tsy mahazo ilay consistance spongieuse tadiavina ilay izy. Toy izay koa rehefa manao steack chinois.

Bon appétit!

© Rova Andriantsoa.

Boulettes chinoises sucrées
Boulettes chinoises sucrées