Efa nandalo teto ny salade composée sy ny salade variée, ity ndray ary ny Salades de Pates.
Isan’ny olona: 4 personnes
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 20 mn
Akora ilaina
- macaroni,
- carottes,
- tomates, oignons,
- oeufs,
- sel, poivre, ciboulette,
- sardine,
Fikarakarana salades de pates
- Andrahoina ny macaroni dia atokana.
- Endasina ny carottes. Arotsaka ny tomate sy oignon. Avela ho ritra tsara. Arotsaka ny blanc d’oeuf (ny jaune dia anaovana mayonnaise) ary asiana sel sy poivre sy ciboulette voatetika vaventy. avela hangatsiaka ireo.
- Afangaro ny pâtes sy sauce ary asiana sardine voapotsitra sy mayonnaise ary oeufs durs.

Fanamarihana
- Asiana jus de citron anankiray ny mayonnaise ary ampiana poivre kelykely dia tsy mavesatra.
- Azo ampiarahina amin’ny mofo mikarepoka.
Mazotoa!
© Rova Andriantsoa