Sabotsy rahampitso ka Bol renversé de nouilles no soson-tsakafo.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 20 mn
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Akora ilaina
- Nofon-kena
- Carotte
- Haricot vert
- Courgette
- Pak choi (bémol)
- Sel, Poivre
- Sauce soja
- Sauce huitre
- Pate
- Œuf
Fomba fikarakarana bol renversé de nouilles

- Andrahoina ny nouilles dia atokana.
- Endasina ny nofon-kena dia avy eo atokana.
- Endasina ny carotte sy haricot vert sy courgette ary pak choi (bémol). Asiana sel sy poivre sy sauce soja ary sauce huître.
- Arotsaka ao ny hena ary somary asiana fécule kely hadity.
- Atao anaty bol ny oeuf sur plat, avy eo ny legume sy ny hena, farany pâte ary somary tsindrina.
- Ahohoka ambony lovia ny bol dia esorina moramora.
Mazotoa homana!
Jereo ihany koa:
©Rova Andriantsoa