Mofo mangahazo à la cannelle no natao goûter anio.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Mangahazo;
- Poudre de cannelle;
- Lait concentré;
- sucre, huile;
- 1 Oeuf.
Fomba fikarakarana mofo mangahazo

- Andrahoina malemy ny mangahazo dia potserina. Asiana poudre de cannelle sy lait concentré kely, sucre kely ary 1 oeuf.
- Raisina tsikelikely amin’ny sotro dia endasina amin’ny menaka mafana be dia vita.
Fanamarihana
- Tsy mila asiana farine fa mila atao mamay be ny menaka rehefa manendy azy. Tsy atao betsaka koa anefa (ny menaka).
- Mangahazo 4 eo amin’ny 20cm eoeo (tsy fohy kely anefa tsy vaventy bekoa) dia mahampy hoan’ny olona 4.
- Ny mangahazo eto dia azo soloina vomanga, saonjo, soanambo.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.