Recette héritée de génération en génération ary réussie foana. Clin d’oeil à mon papa. Mbola vao mena vava aho dia yaourt fait maison no nitaizana ahy. Tsy mila yaourtière na thermomètre.
Isany: 12 pots ou verres.
Fotoana hikarakarana azy: 20 mn + 9h
Fotoana hiketrehana azy: 20mn
Akora ilaina
- Ronono 1,5 l
- Siramamy
- Yaourt 1 atao ferment

Fomba fikarakarana yaourt fait maison
- Ilaina : ronono 1,5 l; siramamy 1 sy 1/2 amin’ny pot yaourt; ferment 3 sotrokely (izany hoe 1 sotrokely isaky ny ronono 1/2 l).
- Apangotrahana mivadibadika tsara ny ronono 1,5l.
- Asiana lamba somary matevina ambony latabatra ary alahatra ny 12 pots na verre.
- Rehefa mangotraka tsara ny ronono, bataina ary arotsaka ny siramamy 1 sy 1/2 pot yaourt.

- Aroana ary tsapaina matetika amin’ny ankihikely mandra-pahazakany ny hafanana mijanona ao mandritry ny 5segondra.
- Rehefa tonga amin’ilay température zakan’ ny ankihikely 5s, dia arotsaka ny ferment 3 sotrokely, izany hoe 1 sotrokely isaky ny ronono 1/2 l (yaourt maison ou industriel azo antoka fa vaovao tsara) ary aroana.
- Tsinjaraina aingana amin’ny pots na verres, kendrena hitovy ny habetsany isaky ny pots. Mila mailaka tsy hangatsiaka.
- Aorona hakeo ambony pots ilay lamba lafika tao ambany, atao mora sao miraraka.
- Saromana lamba matevitevina 2 na 3 arakaraky ny andro hoe mafana na ririnina.
- Kendrena tsy hisy rivotra miditra ny sisiny. Akatona ny varavarana dia avela 8h fara fahakeliny. Tsara raha ny ariva no atao mba tsy hisian ny rivotra mivezivezy.
- Sokafana rehefa vita ny 8h.

© Rova Andriantsoa