Pates sauce au fromage

Faran’izay tsotra nefa tian’ny ankizy ny pates sauce au fromage.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 30 mn

Fotoana hiketrehana azy: 20 mn

Akora ilaina

  • Macaroni
  • Tomate fraîche
  • Oignon
  • Ail
  • Sel, poivre
  • Fromage fondu
  • Rano
  • Tomate concentrée

Fomba fikarakarana Pates sauce au fromage

  1. Andrahoina ny macaroni dia atokana.
  2. Manao sauce tomate fraiche, oignon, ail, sel, poivre dia arotsaka ny fromage fondu (eto dia fromage Teama 1 isan’olona).
  3. Ampiana rano kely hahazo sauce marihitra.
  4. Asiana tomate concentrée kely hampisy tsiro sy loko azy.
  5. Afangaro amin’ny macaroni avy eo.

Mazotoa homana!

Pates sauce au fromage
Pates sauce au fromage

Jereo ihany koa

Pates aux oeufs et aux champignons noirs

Salades de Pates

Pates Garnie

©Rova Andriantsoa