Ra toa ka tsy te-hisahirana sy te iaina amin’ny zava-misy ao an-trano dia ity ny recette de Spaghetti sauce au fromage.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 15 mn
Akora ilaina
- pâtes,
- tomates, oignon, ail,
- fromage fondu (vache qui rit ou teama etc.),
- sel, poivre,
- eau,
- ciboulette,
- œuf
Fikarakarana spaghetti sauce au fromage

- Andrahoina ny pates dia atokana.
- Manao sauce tomate sy oignon ary ail kely. Arotsaka ny fromage fondu misimisy sy sel sy poivre sy rano kely ahazoana sauce marihitra.
- Arotsaka ny pates dia afangaro.
- Rehefa eo ambony lovia dia rarahana ciboulette sy omelette voatetika lavalava.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa