Katsaka andrahoana

Katsaka andrahoana : fomba tsotra sady mora, andrahoina fotsiny ny katsaka dia vita! Tena tsara atao gouté sady mahavoky.

Isan’ny olona: 05

Fotoana hikarakarana azy: 10mn

Fotoana hiketrehana azy: 1h 45mn

Katsaka andrahoana

Akora ilaina

  • Katsaka maintso 
  • Rano
Katsaka andrahoana
Katsaka andrahoana

Fomba fikarakarana Katsaka andrahoana

  1. Alaina ny katsaka maintso mbola miaraka amin’ny raviny matevina.
  2. Esorina miala tsikelikely ilay raviny iny fa tsy indray esorina daholo.
  3. Rehefa tsapa mety efa iray sisa ilay raviny mamono ilay katsaka dia ajanona amin’izay fa tsy esorina intsony.
  4. Esorina ilay volon-katsaka na tsy esorina fa andrahoina miaraka amin’ilay katsaka ilay volony fa tandremana mba tsy hiala fotsiny ilay raviny manify farany izay najanona miaraka amin’ilay katsaka.
  5. Rehefa tapitra voahala daholo ilay ravin’ilay katsaka rehetra ankoatra ilay iray farany dia somary am-pandalovina anaty rano mba hiala izay loto manaraka azy.
  6. Alaina ny vilany lehibe izay maha omby azy rehetra dia alahatra tsirairay ao.
  7. Asiana rano ilay izy dia avela hitanika eo mandra-pahamasaka azy.

Mazotoa homana !

Fanamarihana

  • Ilay volon-katsaka iny tsy ariana rehefa nesorina fa afaka atao dite dia sotroina fa tsara amin’ny fahasalamana.
  • Ny antony anajanonana ilay raviny iray farany dia mba tsy ampatsatso azy fa afaka esoriana ihany koa anefa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *