Hoanao izay te ahafantatra hoe toa ahoana ny fanamboarana ireny petits pains à hamburgers na buns burger ireny. Tsotra sady mora ny fanaovana azy ka araho ary.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 45 mn
Akora ilaina
- Farine 600g ;
- Siramamy 3 sotro fihinana ;
- Ronono 30cl ;
- Sira 1 sotro kely ;
- Atody 1 ;
- Levure boulanger 10g ;
- Beurre 60g

Fomba fanamboarana petits pains à hamburgers na buns burger
- Maka vilia bol iray lehibe dia afangaro ao avokoa ny farine; atody; siramamy; sira; ronono; ary ny beurre. Tsy adino ny manisy levure.
- Afangaro tsara ireo dia harokaroina mandritra ny dimy minitra eo.
- Rehefa vita tsara ny fanafangaroana azy dia apetraka amin’ny toerana mafana mandritra ny folo minitra eo.
- Zarazaina ho lasa toy ny boule maromaro ilay pate avy eo.
- Rehefa voazarazara maromaro ilay izy izany oe efa boribory tsara dia apetraka eo ambonin’ny papier de cuisson eo ambony plaque.
- Averina apetraka amin’ny toerana mafana mandritra ny fotoana fohy indray.
- Rehefa afaka izay dia atsofoka ao anaty la four à 200° mandritra ny 30 minitra eo dia vita.
Mazotoa homana!