Ito indray misy fomba hafa azo atao rehefa manana katsaka mba hampiovahova ny gouté ao antokan-trano: solovolo na mofokatsaka.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 1h 30mn
Akora ilaina
- Katsaka maintso;
- Akondro;
- Siramamy;
- Rano.
Fomba fikarakarana Solovolo na mofokatsaka
- Alaina ny katsaka maintso dia esorina hiala ny raviny.
- Kikisana tsara ao anaty sivana ilay vaoniny mbola maintso hiala amin’ny tonony.
- Alaina ny laona dia totona miaraka amin’ny akondro mba halemy tsara.
- Arotsaka ao avy hatrany ny siramamy mba hamamy azy.
- Velarina miaraka amin’izay avy eo ny ravin’ilay katsaka mbola maintso.
- Rehefa voavelatra tsara ilay ravina dia araraka tsikelikely amin’ny sotro ilay katsaka efa voatoto.
- Fonosina tsara ireo avy eo mba tsy hivaha ilay fonosana rehefa mahandro azy.
- Arotsaka ao anaty vilany dia tsara raha asiana tsikalana ilay vilany mandrapahamasaka azy.
- Aroso mafana no tena mahatsara azy dia ampiarahana amin’ny dite kely.
Mazoto homana!
Fanamarihana
- Rehefa makany Ambatomirahavavy dia solovolo no fiantso azy io. Ilay katsaka maitso no asiana akondro sy siramamy dia atao feta; fonosina dia atao bain marie dia vita.
- Rehefa mikiky katsaka amin’ny sivana dia tandremana mba tsy anaraka ny hodi-manify mba ho malefaka tsara ilay feta azo.
