Mbola hafa ihany ny mokary au coco (na mofo gasy au coco na mofo gasy amin’ny voanio), indrindra moa fa nataon’ny tena… Ampiarahina amin’ny café.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn , temps de pause : 4h
Fotoana hiketrehana azy: 10 mn
Akora ilaina
- Farine de riz 1 verre
- Farine de blé 1 verre
- Levure boulangère 1 sachet
- Sucre
- Lait de coco 200ml
Fomba fikarakarana mokary au coco
- Ranoina amin’ny rano matimaty ny levure dia afangaro amin’ny ireo farine sy siramamy. Afangaro tsara.
- Tampohina rano matimaty tsikelikely. Tsy tokony hadity be na matsora loatra ny koba.
- Saromana dia asiana lamba eo amboniny na fonosina mba hahazo hafanàna.
- Alona adiny 4 an indray alina mihintsy mba ho fermenté tsara.
- Alohany hanendasana azy vao arotsaka ny lait de coco.

Soava finaritra daolo.


Nanolotra : Vola Rakotovao
Pouvez-vous donner la recette en français. Merci d’avance
Salama tompoko
Ary mety ve raha tsy asiana farine de blé fa farine de riz iray manontolo?