Vacances = goûter . Inty ary misy recette de gâteau de mais à la banane fourré aux cacahuètes. Tsy dia mandany izy ity nefa tsara ary tian’ny ankizy.
Isany: 6 portions
Fotoana hiketrehana azy: 40 mn
Fotoana hikarakarana azy: 20 mn
Akora Ilaina
- 12 cuillères à soupe de koba katsaka;
- 6 cuillères à soupe de sucre;
- 100g de beurre fondu ou huile;
- 5 bananes pressés;
- 1 kapoaka voanjo voatoto (vovony fa tsy pâte);
- 1 verre d’eau froide.
Fomba fikarakarana ny gâteau de mais à la banane fourré aux cacahuetes
Afangaro ny vovo-katsaka sy sucre.

Arotsaka ny rano, afangaro tsara tsy hisy mitambaingana.
Avy eo ny akondro voapotsitra, afangaro tsara.
Arotsaka ny beurre fondu ou huile dia afangaro tsara.
Asiana huile kely ny moule na lovia jobo mahazaka mamay dia araraka ny atsasaky ny pâte.

Apetraka ny voanjo mendy voatoto.

Arotsaka ambony voanjo ny ambina pâte. Atao ambony compartiment cuisson vapeur rice-cooker ny moule dia saromana (efa misy rano mangotraka ao ambany); na asiana kapoaka anaty vilany misy rano mangotraka hipetrahan’ny moule.

Cuisson 40mn. Rehefa masaka dia andrasana 5mn dia démouler-na.
Fanamarihana
- Azo soloina kobam-bary koa ny koba-katsaka.
- Eo amin’ny fahafito dia atao « cuisson à la vapeur » izany hoe tsy atao mikasika rano ny moule.
Mazotoa homana!

© Rova Andriantsoa.