Boulettes de Chayotte

Laoka indray ary: Boulettes de Chayotte. Laoka gasygasy mora karakaraina.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hiketrehana azy: 10 mn

Fotoana hikarakarana azy: 10 mn

Akora Ilaina

  • saosety (chayotte) 2 lehibe;
  • toto-kena 250g;
  • ail, gingembre, sel, poivre,
  • atody 1,
  • chapelure

Fomba fikarakarana boulettes de Chayotte

Boulettes de Chayotte
Boulettes de Chayotte

Raper-na ny saosety 2 lehibe dia potserina amin’ny tanana hiala ny ranony.

Afangaro ao ny toto-kena 250g sy ail sy gingembre sy sel sy poivre dia atao boulettes.

Ampandalovina atody voakapoka, avy eo chapelure dia endasina.

Mazotoa homana!

Nanolotra: Rova Andriantsoa.