Andao hanao Glace fait maison (na crème glacée hoy ny sasany) fa mafana ny andro. Mba ampifalifaliana ny ankizy ihany koa.
Sommaire
Fomba voalohany fanaovana glace fait maison
Akora ilaina
- Atody 5;
- Crème fraîche 50 cl;
- Siramamy 6 sotro lehibe;
- Voankazo izay tiana na chocolat;
Fikarakarana azy
- Kapohana atao marihatra ny Atody (entiers) sy siramamy. Afangaro ao ilay voankazo (fraise na akondro).
- Atao chantilly ny crème fraîche. Raha choco no atao parfum dia afangaro amin’ilay chantilly ny choco efa natsonika.
- Afangaro tsikelikely amin’ny récipient mitokana ny rehetra.
- Atao ao anaty congélateur mandritra ny adiny 5h dia mihinana glace fait maison tena matsiro.

Nanolotra ny recette sy sary : Ida Tchiours Ravel
Fomba faharoa fanaovana glace fait maison : Glace à l’italienne vanille no natao teto
Akora ilaina
- 5 tamenaka atody;
- 60 cl crème liquide;
- 100g siramamy;
- 2 sachets siramamy vanillé;
- 1/2 c.à.c poudre de vanille
Fikarakarana glace à l’italienne vanille

- Hafanaina ny crème dia ampiana poudre vanille. Avela hangotraka dia avela hangatsiaka avy eo.
- afanaina ny rano anaty casserole hanaovana bain marie.
- Maka bol (mahatanty mafana sady mitovy habe aminy casserole). Atao eo ambony casserole nisy rano mafana teo dia kapohina ny tamenaka atody miampy siramamy sy siramamy vanillé mandrampahafotsy azy.
- Atao ambony fatana casserole aminy afo malefaka (frémir) ary ny bol nisy tamenaka atody teo dia arotsaka ny crème liquide sady haroina aminy sotro hazo.
- Haroina eo mandrampahamatevina ny crème dia rehefa hita fa mamaritra ny sotro hazo dia avela hangatsiaka amin’izay dia hampidirina anaty congélateur.
- Haroina foana isaky ny adiny 1 mandritra ny 3 na 4 ora eo. Dia avela anaty congélateur hatrany.
- Raha manana turbine à glace dia arotsaka ao izy mangatsiaka dia arahina ny notice fampiasana azy dia avela hiodina mandrampahazo fangaro matevina. Arotsaka anaty recipient glace avy eo dia atao ao anaty congélateur 15mn.

Mazotoa ô !
Nanolotra ny recette : Holy Elia Tahianjanahary