Fomba fikarakarana Gateau voatavo.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 40 mn
Akora ilaina
- Atody 4,
- 4 cas vovodronono,
- 200g de sucre,
- 200g de farine,
- 1kg voatavo manta,
- Parfum vanille na gousse de vanille mihitsy
Fomba fikarakarana Gateau voatavo
- Andrahoina ny voatavo. Ataovy tetika ngeza aloha satria amin’izay mora tsihifina rehefa masaka. Raha
manana cuit vapeur dia andrahoy à la vapeur. - Rehefa izay dia mixeo miaraka daholo ny akora rehetra.
- Ataovy anaty moule efa nosorana menaka na beurre ny rehetra dia andrahoina 40mn à 180° amin’ny Lafaoro.
Mazotoa tompoko!
Nanolotra: Sambatra Razafintsalama