Mofo voatavo (beignet de potiron), toy izao no fomba fikarakarana azy amin’ny fomba tsotra sy gasigasy.
Isany: 30 pièces
Fotoana hiketrehana azy: 10 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Akora Ilaina
- 250g voatavo,
- 2 atody,
- 175g siramamy,
- 250g farine,
- rano, menaka.
Fomba fikarakarana ny mofo voatavo
- Andrahoina amin’ny rano kely ny voatavo 250g dia potserina.
- Afangaro ao ny 2 oeufs sy 175g de sucre sy 250g de farine ary rano kely mba mampadity ny pate.
- Raisina tsikelikely amin’ny sotro dia endasina.
Fanamarihana
- Asiana cannele na citron kely de mivoaka tsara ny hanitra.
- Tsy dia atao be menaka, tsy otrany manendy mofo akondro.
- Tsy dia tsara loatra ra asiana levure rehefa manao beignets de potiron.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.