Fomba fikarakarana terrine de poisson amin’ny nahandro tsotra malagasy.
Isan’ny olona: 8
Fotoana hiketrehana azy: 25 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15mn, bain marie 1h ary fampangatsihahana 4h.
Akora Ilaina
- nofo-trondro 500g,
- petits pois 1 kapoaka,
- 3 oeufs,
- 4 oeufs durs,
- mofo dipaina 1,
- sel, poivre,
- muscade rapée kely raha misy.
Fomba fikarakarana ny terrine de poisson
- Andrahoina 15mn amin’ny rano sy sira ny petits pois dia atokana.
- Avy eo andrahoina 10mn amin’ny rano kely sy sel ny nofo-trondro dia atokana.
- Lemana rano ny mofo dia fihazana amin’ny tanana ary afangaro amin’ny atody.
- Miara-mixer-na ny nofo-trondro sy ilay mélange atody sy mofo. Asiana sel sy poivre ary muscade rapée kely.
- Afangaro ilay mixture sy petits pois.
- Osorana huile ny moule dia arotsaka ny atsasaky ny mixture ary alahatra ny oeufs durs.
- Apetraka ny ambina mixture. Saromana papier film na sachet toy io sary io dia asiana pince. Atao bain-marie 1h.
- Rehefa masaka, avela hangatsiaka dia démouler-na. Ampidirina frigo 4h dia azo tetehina.

Fanamarihana
- Ra mampiasa four dia atao bain-marie foana. Asiana plat jobo be misy rano dia 1h ihany no anaovana azy.
- Mety daholo rehefa trondron-dranomasina na ranomamy rehefa be nofony.
- Oeufs entier no arotsaka rehefa atao ny mixage fa tsy ny tamenany ihany akory.
- Ny petits pois dia azo ovaina légumes hafa (haricots verts ohatra) na tsy asiana koa. Azo ovaina hena, akoho, lapin, fruits de mer, sns ny trondro.
- Tsy atao mahery be na malefaka be ny afo fa afo mampangotraka ny rano foana fotsiny mandra-paha masaka. Izany hoe mila chaleur constante.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.