Macaroni aux sardines

Macaroni aux sardines.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 5 mn

Fotoana hiketrehana azy: 20 mn

Akora ilaina

  • Macaroni ;
  • Sira, menaka, Rano ;
  • Sardine.

Fomba fikarakarana Macaroni aux sardines

Macaroni aux sardines
Macaroni aux sardines
  1. Ampagontrahana ny rano dia ampiana sira sy menaka kely.
  2. Alaina ny macaroni dia arotsaka ao anatin’ilay rano misy sira sy menaka dia avela hangotraka fa tsy atao malemy be.
  3. Rehefa hita fa efa malemilemy ny macaroni dia esorina dia alefa ao anaty rano mangatsiaka mba tsy ho lasa modaka be loatra.
  4. Tsihifina tsara avy eo ilay macaroni avy nalefa tao anaty rano mangatsiaka.
  5. Alaina ny saridine dia potipotenina tsara ao anaty vilia aloha.
  6. Rehefa mitsika tsara ilay macaroni dia afangaro amin’izay ilay sardine avy nopotipotehina dia vita.

Fanamarihana

  • Afaka atao ihany koa macaroni sardine fa somary atao purée au fromage kely ka indray avadibadika ireo.
Jereo ihany koa

Croquettes de pommes de terre aux sardines

Pates sauce au fromage

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *