Ny paiso rakena

Ny paiso rakena dia anisany voakazo tena vokatra tokoa raha eto amintsika. Anisan’ny ireo manamarika ny vanimpotonanan’ny krismasy sy taombaovao ny fahavokaran’izy io. Maro ny tombotsoa azo avy aminy. Ireto ary misy fomba maromaro azo atao aminy eo amin’ny lafiny ara-tsakafo:

  1. Afaka atao zava-pisotro na (jus) na divay.
  2. Afaka atao confiture ihany koa.
  3. Azo atao dessert na tsindrin-tsakafo.
jus paiso
jus paiso

Ity ary ny fomba fanamboarana ilay confiture :

Fanamboarana confiture paiso rakena

Ireo akora ilaina :

  • 1 kg ny paiso ;
  • 1 kg siramamy.

Ny fanaovana azy :

  1. Sasana ny paiso dia zaraina roa na efatra, atao ao anaty vilany eo ambony afo malefaka ny paiso sy ny siramamy, tsy asiana rano fa miteradrano izy rehefa avy nosasana iny.
  2. Aroaroana matetika mba tsy hiraikitra amin’ny vilany mandrapahatongany marihitra mitovy amin’ny caramel. Marihina fa rehefa toy ny caramel izy dia afaka hampirimina mandritry ny herinandro.
  3. Ampangatsiahina dia vita. Afaka ampiana citron kely na cannelle na vanille arak’izay tiana atao aminy.
paiso rakena
paiso rakena

Raha atao divay indray kosa dia fomba hafa no anaovana azy :

Fanamboarana divay

Ireo akora ilaina

  • Siramamy;
  • Paiso.

Ny fanaovana azy

  1. Tetehina na mixena ny paiso efa voavofy.
  2. Lomana siramamy mandifotra azy, tsy asina rano mihitsy fa lasa ranony le siramamy io.
  3. Alona mandritra ny adin’iray na adin’ny roa.
  4. Rehefa vita izay dia fihazana ao anaty voaly kely na lamba manify, dia atao ao anaty tavoahangy ny ranon’ny paiso azo eo.
  5. Hidina tsara avy eo, dia tsy sokafana mihitsy raha tsy hosotroina afaka roa andro na herinandro eo.
  6. Ny faikan’ilay paiso avy nakana ranony dia afaka andrahoina ka asina siramamy dia lasa confiture koa.

Cet article a été écrit par Gaël RAKOTOVAO

Salut, c’est Gaël R., Ingénieur et responsable de projet chez Mada Creative Agency. Je suis spécialiste en marketing digital certifié par Google : 12 ans d'expérience maintenant dans le domaine du Référencement Naturel SEO. Je peux vous former en SXO (SEO + expérience utilisateur UX, c'est la nouvelle tendance en référencement web). Si vous êtes TPE/PME, je peux vous aider à développer votre présence en ligne sur le web. Si vous êtes tombés sur cette page, c'est que ça marche, non ;). Aussi, je rédige régulièrement du contenu et des actus. Ma passion c'est : - la photographie, , d'ailleurs vous pouvez voir mon portfolio de paysages de Madagascar sur cette page sur istock. Je peux également vous former aux techniques de photographie + post traitement sous Lightroom. - les crypto-monnaies : je peux vous former au minage de crypto-monnaies, c'est plus ma spécialité. - le voyage : eh bien, je suis guide touristique attesté par le Ministère du Tourisme. N'hésitez pas à me contacter par courriel : rakotovao.gael@gmail.com ou au Téléphone : +261 (0) 32 82 372 94 . A bientôt !

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *