Noho ny fangatahin’ny maro dia noezahina atao sakafo tsy misy hena no atao maromaro. Ka indro ary atolotra anao anio ny fikarakarana pitipoa sy karaoty.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 30 mn
Fotoana hiketrehana azy: 40 mn
Akora ilaina
- Pitipoa voavofy 2 kapoaka;
- Karaoty voavofy 1/2 kg;
- Voatabia 3, voatetika;
- Tongolo egypta 3 votetika;
- Tongolo gasy hasiny 4 voatetika;
- Menaka 3 sotro;
- Sira izay tiana

Fomba fikarakarana Pitipoa sy karaoty
- Ampangotrahana ny rano dia arotsaka ny pitipoa.
- Arotsaka ny karaoty rehefa elaela.
- Rehefa malemy ny pitipoa dia asiana sira.
- Edasina ny voatabia sy tongolo egypta.
- Asiana sira dia arotsaka ao amin’ny rehefa akaiky ho ritra izy.
- Esorina avy eo amin’ny afo rehefa ritra.
- Asiana tongolo gasy amin’izay.
Mazotoa homana !