Betsaka ny carotte amzao. Ity ary ilay Boulettes de carotte pour 25 pieces. Tsotra sady mora nefa ara-pahasalamana.
Isany: 25
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 10 mn
Boulettes de carotte
Akora ilaina
Fikarakarana Boulettes de carotte
- Raper-na madinika ny 500g de carotte, fihazana amin’ny tanana hiala ny jus.
- Afangaro amin’ilay carotte rapée ny ail sy sel sy poivre sy 200g totokena.
- Volavolaina boribory fisapisaka, ampandalovina atody voakapoka ary endasina.

Fanamarihana
- Atao malefadefaka ny afo dia masaka tsara ny totokena.
- Tsy mila farine rehefa manendy azy fa azo atao koa hoe afangaro ao ny atody dia ampandalovina vovoka farine kely vao endasina.
- Ra toa ka endasn amzao fa tsy ampandalovina atody dia potika ilay boulette.
Mazotoa homana

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.