Misy tia milaoka mofomofo ve? Ny beignets de courgette dia sady azo atao gouter no atao laoka.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 5 mn
Fotoana iketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- 4 courgettes,
- 1 oeuf,
- sel, poivre,
- 200 g de farine,
- oignon, persil, ail,
- huile.
Fikarakarana beignets de courgette
Pour 20 beignets:
- Raper-na madinika ny courgettes 4 antonony ny habeny dia fihazana amin’ny tanana hiala ny ranony.
- Afangaro ao ny 1oeuf sy sel sy poivre sy 200g de farine sy persil sy oignon rapé ary ail. Tokony ahazo pate marihitra tsara.
- Avy hatrany dia endasina tsy hitera-drano.
Fanamarihana
- Raha courgette tanora no endasina avy hatrany dia tsy tokony hangidy. Raha sendra ny antitra kosa, zany hoe ireny matevin-koditra ireny dia aleo voasana vao raper-na.
- Azo asiana totokena ihany koa ho an’izay mihinankena.
- Azo atao laoka amin’ny vary sosoa na koa atao ao anaty mofo toy ny catless.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.