Fomba fanamboarana mofo baolina izay azo atao gouter hoan’ny ankizy na koa hoanina miaraka amin’ny dité na café atao sakafo maraina.
Isan’ny olona: 3 na 4
Fotoana hikarakarana azy : 15mn
Fotoana hiketrehana azy: 15mn + 4h repos
Akora ilaina
- Atody 03
- Karibonetra (bicarbonate de soude izay hita any amin’ny pharmacie): 1/2 sotrokely
- La farine 1/2kg
- Levure 01 sotrokely
- Siramamy 01 kapoaka
- Ronono 1/2 vera
Fomba fikarakaraina Mofo baolina

- Kapohina tsara miaraka ny siramamy, atody, ary karibonetra.
- Rehefa levona tsara ireo atapoka ny ronono.
- Ampifangaroina tsarany la farine sy ny levura dia araraka tsikelikely. Haroina tsy mijanona ka tsy atao miverina rehefa tsy manara-tanana raha raisina dia vita.
- Saromana tsara amin’ny lovia, dia avela hilona mandritra ny 04 ora fara fahakely ny koba. Ny tena tsara dia avela hilona mandritra ny alina iray.
- Raisina amin’ny sotro, dia arotsaka anaty menaka tsy dia mangotraka loatra.
Mazotoa homana!