Hen’omby ritra sy sakamalaho

Hen’omby ritra sy sakamalaho, mora karakaraina.

Hen’omby ritra sy sakamalaho

Isan’ny olona: 5-6

Fotoana hiketrehana azy : arakaraka

Fotoana hikarakarana azy : 15 mn

Akora Ilaina

  • Hen’omby matavy na mahia 1 kg;
  • Sakamalaho kely atao tetika madinika;
  • Tongolo gasy kely totoina;
  • Menaka, Sira;
  • Tongolo maitso tetehina kely.
Hen'omby ritra sy sakamalaho miaraka amin'ny lasary voatabia
Hen’omby ritra sy sakamalaho miaraka amin’ny lasary voatabia

Fomba fikarakarana hen’omby ritra sy sakamalaho

  1. Tetehina ny hena.
  2. Miaraka arotsaka ny sakamalaho rapé, ny hena, ny sira ary ny tongolo gasy.
  3. Tapohana rano mandra-pahalemin’ny hena.
  4. Rehefa masaka dia asiana an’ilay tongolo maitso. Ampiarahana amin’ny vary fotsy.

    Hen'omby ritra miaraka amin'ny lasary karaoty
    Hen’omby ritra miaraka amin’ny lasary karaoty

Fanamarihana

Aroso miaraka amin’ny lasary voatabia misy sakay (tsy voatery) na lasary karaoty ihany koa.

Mazotoa homana!


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *