Hen’omby ritra sy sakamalaho

Fomba fikarakarana Hen’omby ritra sy sakamalaho. Mora karakaraina.

Isan’ny olona: 5-6

Fotoana hiketrehana azy: arakaraka

Fotoana hikarakarana azy: 15 mn

Akora Ilaina

  • Hen’omby matavy na mahia 1 kg;
  • Sakamalaho kely atao tetika madinika;
  • Tongolo gasy kely totoina;
  • Menaka, Sira;
  • Tongolo maitso tetehina kely.

 

Hen'omby ritra sy sakamalaho miaraka amin'ny lasary voatabia
hen’omby ritra miaraka amin’ny lasary voatabia

 

Fomba fikarakarana hen’omby ritra sy sakamalaho

 

  1. Tetehina ny hena.
  2. Miaraka arotsaka ny sakamalaho rapé, ny hena, ny sira ary ny tongolo gasy.
  3. Tapohana rano mandra-pahalemin’ny hena.
  4. Rehefa masaka dia asiana an’ilay tongolo maitso. Ampiarahana amin’ny vary fotsy.

 

Fanamarihana

 

Aroso miaraka amin’ny lasary voatabia misy sakay (tsy voatery) na lasary karaoty ihany koa.

 

 

hen'omby ritra sy sakamalaho miaraka amin'ny lasary karaoty
hen’omby ritra  miaraka amin’ny lasary karaoty

Mazotoa homana!


Nanolotra: Association Idealy.