Azo atao laoka na gouter na ihany ko tsakitsaky ny badjia, sady mora atao no tsy lafo mihitsy. Nalaina tahaka tamin’ny nahandro comorienne izy ity ka natao tamin’ny fomba gasy gasy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Contenus de la page
Akora ilaina
- Voanemba
- Rano
- Sel
- Poivre, poireau
- Huile

Fomba fikarakarana Badjia
- Lomana rano ny alina ny voanemba.
- Ny ampitso dia totoina amin’ny laona na mixer-na.
- Asiana sel sy poivre sy poireau voatetika madinika.
- Atao boribory lavalava dia endasina.
Fanamarihana
- Tsy mandany menaka io.
- Asiana kobam-barim-bazaha kelikely na koa sojà no tsaratsara tsiro kokoa.
- Tsy mila atody.