Fanaovana ny bonbon coco.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 20mn
Fotoana hiketrehana azy: 20mn
Sommaire
Akora ilaina
- Coco 1
- 300g siramamy de Madagascar
- rano kely

Fikarakarana bonbon coco
- Totoina ny coco de Tsifina ny jus. Afaka atao amin’ny extracteur de jus raha manana. Dia ilai faikany no ampiasaina avy eo.
- Manao caramel amin’ilay 300g siramamy sy ampiana rano kely dia atao ao anaty casserole ka avela eo ambony afo.
- Arotsaka ao anaty casserole ilay faikana coco.
- Rehefa hita fa maina tsara dia esorina ny afo.
- Avy eo dia manao « petits tas » eo ambony moule en silicone na planche en verre na koa papier sulfurisé fa mora miraikitra ka manjary sarotra esorina. Mahavita 15 bonbon coco io.
- Avela ho maina « à l’air ambiante » mandritra ny 24 ora.
Vita izay dia azo hoanina avy hatrany.
Fanamarihana
- Ny ahy io tena mety miaraka ny café ary ny jus nanaovana riz au coco.
- Tena ohatra ilay any Foulpointe mihintsy ny tsirony.
Nanolotra : Niry Rafi