Recette de fromage de tête maison gasygasy. Ity fromage ity moa dia azo sokajiana ao anatin’irony charcuterie irony.
Akora ilaina
- Vavan-kisoa sy sofiny na tongony 1kg;
- Oignons 6 lehibe;
- Poivrons 6;
- mortadelle;
- Sakamalao sy tongologasy andrahona azy;
- Vinaigre atsasaky ny 1/4l;
- Persil, sel et poivre.
Fikarakarana fromage de tête

- Ny sofin-kisoa sy ny vavany ireo aloha no andrahoana miaraka amin’ny tongologasy sy sakamalao.
- Ny oignons, ny poivron ary ny mortadelle dia alona anaty vinaigre.
- Rehefa masaka ny sofiny sy ny vavany de tetehina ary averina ataingina miaraka amin’ny ze ambiny ranony nandrahona azy teo. Tsy atao ritra tanteraka fa iny no gélatine mampitambatra azy.
- Rehefa marihidrihitra izay dia alana eo ambony afo ka rehefa zakan’ny tanana ny hafanana de asina persil.
- Avy eo atao ao anaty frigo dia azo hoanina avy hatrany.
Mazotoa homana daholo e!

Nanolotra: Sambatra Touki Razafintsalama
de atao ahoana ilay mortadelle azafady