Lelan’omby saosy – Langue de boeuf sauce

Ity indray ary ny fomba fandrahoana lelan’omby saosy (langue de boeuf sauce).

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 15 mn

Fotoana hiketrehana azy: 75 mn

Akora ilaina

  • Lelan’omby antsasany ½ kg;
  • Voatabia sy tongolo;
  • Rano, sira;
  • Ails, thym, poivre.

Fomba fikarakarana lelan’omby saosy

Lelan'omby saosy
Lelan’omby sauce
  1. Ampangotrahana anaty rano misy sira aloha ilay lelan’omby mandritra ny 5 mn.
  2. Kikisana tsara avy eo ilay odiny fotsifotsy mba hiala.
  3. Kobanina dia andrahoana malemy tsara. Ka tetehina somary misopirana manify rehefa malemy.
  4. Atao ny saosy oignons, tomates, ails, thym, poivre ary sira. Afangaro tsara ireo ka arotsaka ao ilay lelan’omby malemy dia miandry izay ahamasaka azy sisa.
  5. Aroso mafana no mety.

Mazotoa homana!

Jereo ihany koa

Hen’omby ritra sy sakamalaho

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *