Flan pâtissier fait maison

Tsy mianatra ny mpianatra dia mba manao gouté kely. Flan pâtissier fait maison no natao. Ireto ary misy fomba maromaro fikarakarana izany.

Fomba voalohany fikarakarana flan pâtissier fait maison

Akora ilaina

  • 1/2l de lait mahavita 10 boites.
  • 1 oeuf entier ,
  • 2 cas de poudre crème pâtissière,
  • 3 cas de sucre na zay tiana,
  • 1 tasse d’eau raha tsy tiana ho concentré be.

Fikarakarana azy :

  1. Apangotrahana ny ronono.
  2. Afangaro ny siramamy sy ny atody.
  3. Alefa ny creme patissiere dia afangaro tsara (fouetena).
  4. Alefa tsikelikely ny ronono sy ny rano ary atao eo ambony afo malefaka.
  5. Arona matetika. Rehefa marihitra sady somary mangotrangotraka kely izy dia vita. Fa na izany aza dia andramana ihany hoe ao amin’ ilay itiavana azy sa mbola misy fofona crème manta.

Nanolotra : Missi Rakotoarisoa

tarte au flan
tarte au flan

Fomba faharoa fikarakarana flan pâtissier fait maison

  1. Mividy ronono 1l dia ampangotrahana.
  2. Avy eo avela matimaty kely dia asiana siramamy amin ny fetra izay tiana.
  3. Arotsaka ao ny atsasaky ny creme patissiere « nounous » dia afangaro tsara ho levona,
  4. Averina ataingina eo ambony afo malefaka de aroina foana mandrapa maridrihitra kely azy.
  5. Araraka amin’ny vera dia avela mangatsika dia atao ao anaty frigo.

Nanolotra : Hanta Ravelojaona

flan aux oeufs
flan aux oeufs

Fomba fahatelo fikarakarana flan pâtissier fait maison

Eto dia tsy mampiasa creme patissiere « nounous »satria misy olona tsy tia.

Akora ilaina

  • Ronono 1,5l;
  • Siramamy 60g;
  • Sucre vanille 1;
  • Atody 4;

Fikarakarana azy

  1. Atao caramel ny siramamy 100g dia atao ao anaty moule rehefa vita caramel.
  2. Kapoana ny atody sy ny siramamy ambiny dia afangaro ao koa ny ronono efa avy nafanaina.
  3. Atao ao anaty moule izy rehetra.
  4. Avy eo atao vapeur ka 2mn ny temps de cuisson.

Nanolotra : Feno Fiderana Eric

Fanamarihana

  • Tsy voatery mila frigo fa afaka ohanina mafana na avela mangatsiaka amzao dia mety.
  • Raha te ampitombo ny tsiro dia makà an’ilay flan efa vita mbola mamay be iny dia asina chocolat na resin sec ararka eo amboniny.
  • Nounous = poudre pour crème pâtissière.
Flan pâtissier fait maison
Flan pâtissier fait maison

Ireto ihany koa azo andramana:

Recette de la quiche lorraine

 

Charlotte patissière au chocolat