Galettes de pommes de terre et boulettes de viande de boeuf.
Isany: 25
Fotoana ikarakarana azy : 30 mn
Fotoana iketrehana azy : 20 mn
Akora ilaina : Galettes de pommes de terre
- 1kg ovy masaka voapotsitra ka asiana muscade rapée mamay
- 2portions fromage fondu
- 250g farine
- sel

Fikarakarana galettes de pommes de terre et boulettes de viande
Afangaro daholo ny ingrédients rehetra. Atao mahazo pâte maimaina tsara.
Atao boribory fisaka toy ny catless ary asiana masony sy vavany aminy sotrokely.
Endasina, tsy mitroka menaka.
Atao doré tsara toy izao sary manaraka izao.
Akora ilaina: boulettes de viande
- 350g toto-kena
- 1gousse d ail
- gingembre
- oignon voatetika madinika
- 1 oeuf
- sel
- poivre
Atao boribory madinidinika na vaventy araka izay tiana (mety ho vitsy kokoa raha vaventy).
Endasina.

© Rova Andriantsoa