Katsaka andrahoana : fomba tsotra sady mora, andrahoina fotsiny ny katsaka dia vita! Tena tsara atao gouté sady mahavoky.
Isan’ny olona: 05
Fotoana hikarakarana azy: 10mn
Fotoana hiketrehana azy: 1h 45mn
Katsaka andrahoana
Akora ilaina
- Katsaka maintso
- Rano

Fomba fikarakarana Katsaka andrahoana
- Alaina ny katsaka maintso mbola miaraka amin’ny raviny matevina.
- Esorina miala tsikelikely ilay raviny iny fa tsy indray esorina daholo.
- Rehefa tsapa mety efa iray sisa ilay raviny mamono ilay katsaka dia ajanona amin’izay fa tsy esorina intsony.
- Esorina ilay volon-katsaka na tsy esorina fa andrahoina miaraka amin’ilay katsaka ilay volony fa tandremana mba tsy hiala fotsiny ilay raviny manify farany izay najanona miaraka amin’ilay katsaka.
- Rehefa tapitra voahala daholo ilay ravin’ilay katsaka rehetra ankoatra ilay iray farany dia somary am-pandalovina anaty rano mba hiala izay loto manaraka azy.
- Alaina ny vilany lehibe izay maha omby azy rehetra dia alahatra tsirairay ao.
- Asiana rano ilay izy dia avela hitanika eo mandra-pahamasaka azy.
Mazotoa homana !
Fanamarihana
- Ilay volon-katsaka iny tsy ariana rehefa nesorina fa afaka atao dite dia sotroina fa tsara amin’ny fahasalamana.
- Ny antony anajanonana ilay raviny iray farany dia mba tsy ampatsatso azy fa afaka esoriana ihany koa anefa.
Veuillez noter l'article :

Etudiant en Master II en biochimie, je suis passionné par les voyages et les technologies de l’information et de la communication. En dehors de mes études, je travaille en tant que rédacteur, traducteur et intégrateur. Je fais également un peu de community management.
Courriel : herinantenainarakotondramanana[at]gmail.com.
Tel: +261 (0) 32 93 737 82 .