Nems au boeuf 

recette de nems au boeuf

Toy izao ny fomba fikarakarana nems au boeuf amin ny fomba malagasy.

Isan’ny olona: 5-6

Fotoana ikarakarana azy: 30min

Fotoana iketrehana azy: 20min

Mora karakaraina!

Akora ilaina

  • Ovy 200g
  • Totokena 500g
  • Poireaux 02
  • Carotte 01 râpée
  • Ciboulette (tsy voatery)
  • Pate blanche
  • Pâte fanaovana nem (izay hita eny aminy pavillon Analakely)
  • Menaka

Fikarakarana nems au boeuf

nems aux légumes

nems aux légumes

  1. Voasana ny ovy, andrahoina atao malemy. Andrahoy koa ny pate blanche.
  2. Andrahoy ny totokena, haroina amin’ny sotro hifangaro tsara tsy hisy hivaingambaingana, avela hangatsiaka.
  3. Afangaroy ny totokena, ny ovy, poireaux, karaoty, ciboulette, pate blanche, ampiana sira.
  4. Alefaso tsikelikely asesika amin’ny pate à nem.
  5. Endasina amin’ny friteuse na vilany saba.
Nem vita malagasy

Nems vita malagasy

Mazotoa Tompoko!