Poulet farci facile

Poulet farci facile: akoho nampiarahina amin’ny toto-kena

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 20 mn

Fotoana iketrehana azy : 40 mn

Poulet farci facile

Akora ilaina

  • akoho 1
  • 2 gousses d’ail
  • gingembre
  • oignons maromaro
  • thym sy sel sy poivre
  • huile 2 càs
  • nofon-kisoa 250g
  • carotte lehibe 1
  • rano 2 verres raha poulet de chair ary 6 verres raha akoho gasy

Fikarakarana poulet farci facile

  1. Afangaro ny atsasaky ny ail sy gingembre sy atsasaky ny thym sy sel sy poivre sy huile.
  2. Osorana ny fangaro ny akoho ary tsatohana fourchette hiditra ny tsiro. Avela hilona 4h ary avadibadika.
  3. Tetehana madinika ny nofon-kisoa sy oignon dia afangaro. afangaro ao koa ny ambina ail sy thym sy sel sy poivre.
  4. Asesika anaty akoho ny farce.
  5. Fatorana aminy kofehy ny taolana aminy feny. Ny ahy teto kofehy fanjairana no-tripler-na.
  6. Atao anaty vilany ny akoho efa farci sy marinade nandomana azy sy rano ary carotte vaventy. Avela hiketrika ary avadika rehefa misasaka ny rano ho masaka tsara. Rehefa ritra avela ho mendimendy ny farces rehetra.