Gateau au yaourt

Gateau au yaourt: tena tian’ny ankizy.

Isan’ny olona: 2

Fotoana ikarakarana azy: 20 mn

Fotoana iketrehana azy : 35 mn

Akora ilaina

  • 150g farine
  • 1/2 sachet levure chimique
  • 4 oeufs
  • 175g beurre fondu
  • 175g sucre
  • pincée de sel
  • 1 pot yaourt nature na parfumé

 

Fikarakarana gateau au yaourt

  1. Empoina ny beurre dia avela ho matimaty;
  2. Afangaro mandra-paha fotsy ny sucre misy pincée de sel sy oeufs;
  3. Rehefa fotsy tsara dia arotsaka ny beurre fondu sy yaourt;
  4. Avy eo dia arotsaka ilay farine efa misy levure chimique;
  5. Osorana huile ny vilany rice-cooker ary fafazana farine;
  6. Arotsaka ny pâte ary atontotontona. Atao anaty rice-cooker ka atao position COOK 10mn dia avy eo WARM 10mn. Averina COOK 10mn indray ary avela hiverina WARM 5mn. Izany hoe 35mn en tout.
  7. Andrasana somary matimaty vao démouler-na.
Gateau au yaourt
Gateau au yaourt

©Rova Andriantsoa