Pudding à la banane

Pudding à la banane.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 20 mn

Fotoana iketrehana azy: 45 mn

Akora ilaina

  • mofo dipaina 1,5
  • lait concentré 2càs
  • rano mafana 1/2 tasse ou 1/2tasse ronono velona
  • 2 oeufs
  • 4 càs sucre
  • 3 bananes lehibe
  • 1 càs huile pour le moule

 

pudding: akora ilaina
pudding: akora ilaina

Fikarakarana pudding à la banane

Tapatapahana aminy tanana ny mofo. Afangaro ny lait concentré sy rano mafana ary lomana ao ny mofo. Raha ronono velona no misy dia lomana anaty ronono masaka mafana ny mofo.

Tapatapahana aminy tanana ny mofo
Tapatapahana aminy tanana ny mofo

Afangaro ny sucre sy atody.

Afangaro ny sucre sy atody
Afangaro ny sucre sy atody

Avy eo afangaro ny mélange oeufs sy sucre sy mofo nilona ronono sy akondro voapotsitra.

Afangaro ny mélange oeufs sy sucre
Afangaro ny mélange oeufs sy sucre

Osorana menaka ny moule na cul de poule kelikely na ny lovia jobo mahazaka mamay. Arotsaka ny nahandro.

Arotsaka ny nahandro
Arotsaka ny nahandro

Ampangotrahana mialoha anaty rice-cooker hatreo amin’ny atsasany ny rano. Apetraka ny moule misy nahandro tsy atao mikasika ny rano. Raha vilany dia asiana kapoaka mivadika anaty vilany dia eo ambony kapoaka no apetraka ny moule.

Ampangotrahana ny nahandro
Ampangotrahana ny nahandro

Saromana ny rice-cooker na ny vilany dia avela hitanika 40mn. Esorina ny moule ka andrasana 5mn ho maina tsara vao démouler-na.

pudding
pudding

© Rova Andriantsoa