Tian’ny ankizy izy ity sady vacances ny andro. Azo atao gouter tsara: pizza à la saucisse fumée et aux poivrons. Lapoaly no ampiasaina eto, zany hoe pizza à la poêle. Araho par étape eo ambany ary ny fomba fikarakarana azy.
Pizza à la saucisse fumée et aux poivrons
Isany : pizza 6
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- 250g de saucisse fumée,
- poivrons,
- tomates, oignons, sel, sucre,
- thym, poivre,
- fromage rapé,
- 500g farine,
- 1 sachet de levure boulangère Saf Instant,
- 2 càs d’huile,
- 40 cl d’eau.
Fomba fikarakarana pizza à la saucisse fumée et aux poivrons
Garniture
- Tenehina ny tomate sy oignon.
- Rehefa masaka tsara dia arotsaka ny saucisse fumée sy poivrons sy sel sy sucre sy thym ary huile.
Pate pour 6 pizza
Etape 1: Afangaro ny 500g de farine sy 1 sachet de levure boulangère Saf Instant sy 2 càs d’huile sy 2 càs de sucre sy 1 càc de sel sy 40cl d’eau chaude. Kosehina 10 mn. Fonosina lamba mafana mandritra ny adiny 1h mba hitombo. Rehefa vita ny 1h de pause dia zaraina 6 ny pâte dia fisahana tsirairay.
Etape 2: Osorana huile ny lapoaly dia apetraka ny pâte. Atao malefadefaka ny afo. Rehefa mahazo loko ny face iray dia avadika.
Etape 3: Apetraka ny garniture, rarahana fromage rapé dia saromana. Afo malefadefaka hatrany. rehefa mitsonika ny fromage dia vita.
Fanamarihana
Raha lafaoro no ampiasaina dia:
- raha manify ny pate dia 15-20mn eo ho eo; atao mamay be ny four.
- raha matevina kosa dia alefa 5-7 mn hiakatra sy ho mainaina kely , esorina avy eo dia asiana farce.
Mazotoa homana!

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.