Pizza à la saucisse fumée et aux poivrons

Tian’ny ankizy izy ity sady vacances ny andro. Azo atao gouter tsara: pizza à la saucisse fumée et aux poivrons. Lapoaly no ampiasaina eto, zany hoe pizza à la poêle. Araho par étape eo ambany ary ny fomba fikarakarana azy.

Isany : pizza 6

Fotoana hiketrehana azy: 15 mn

Fotoana hikarakarana azy: 15 mn

Akora Ilaina

  • 250g de saucisse fumée,
  • poivrons,
  • tomates, oignons, sel, sucre,
  • thym, poivre,
  • fromage rapé,
  • 500g farine,
  • 1 sachet de levure boulangère Saf Instant,
  • 2 càs d’huile,
  • 40 cl d’eau.

Fomba fikarakarana pizza à la saucisse fumée et aux poivrons

Garniture:

  1. Tenehina ny tomate sy oignon.
  2. Rehefa masaka tsara dia arotsaka ny saucisse fumée sy poivrons sy sel sy sucre sy thym ary huile.

Pate pour 6 pizza:

Etape 1: Afangaro ny 500g de farine sy 1 sachet de levure boulangère Saf Instant sy 2 càs d’huile sy 2 càs de sucre sy 1 càc de sel sy 40cl d’eau chaude. Kosehina 10 mn. Fonosina lamba mafana mandritra ny adiny 1h mba hitombo. Rehefa vita ny 1h de pause dia zaraina 6 ny pâte dia fisahana tsirairay.

Etape 2: Osorana huile ny lapoaly dia apetraka ny pâte. Atao malefadefaka ny afo. Rehefa mahazo loko ny face iray dia avadika.

 

Etape 3: Apetraka ny garniture, rarahana fromage rapé dia saromana. Afo malefadefaka hatrany. rehefa mitsonika ny fromage dia vita.

Fanamarihana

Raha lafaoro no ampiasaina dia:

  •  raha manify ny pate dia 15-20mn eo ho eo; atao mamay be ny four.
  •  raha matevina kosa  dia alefa 5-7 mn hiakatra sy ho mainaina kely , esorina avy eo dia asiana farce.

Mazotoa homana!

Nanolotra: Rova Andriantsoa.