Tao aorianan’ny fricassée de poulet aux poivrons, dia indro atolotra anareo indray ny fricassée de poulet aux champignons noirs. Mitovitovy ihany ny fomba fikarakarana sy fahandro azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Akoho,
- Sira, poivre,
- Ail, oignon,
- Menaka, rano,
- Champignons noirs.
Fomba fikarakarana fricassée de poulet aux champignons noirs

- Endasina mendy tsara ny akoho efa misy sira sy poivre dia atokana.
- Lomana ny champignons noirs dia tetehina lavalava ary atokana avy eo.
- Endasina ny ail sy oignons misimisy. Arotsaka ny champignons sy akoho mendy ary rano dia avela hiketrika 15mn.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.