Vao mafana ny beignets de légumes na mofo legioma koa manasa antsika rehetra. Mitovitovy tamin’ilay mofo laisoa sy mofo anana ihany no nanaovana azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Akora Ilaina
- carottes;
- haricots verts;
- courgettes;
- celeris;
- oignons, ail;
- sel, poivre, huile;
- sauce soja;
- curcuma;
- 4 càs de farine;
- 2 oeufs;
Fomba fikarakarana beignets de légumes
- Tetehina madinika ny carottes sy haricots verts sy courgette sy celeri sy oignon sy ail dia endakendasina asiana sel sy poivre sy sauce soja ary curcuma kely.
- Afangaro ao ny 4 càs de farine sy ny atody 2.
- Raisina tsikelikely amin’ny sotro dia endasina avy eo.

Fanamarihana
- Hoan’izay tia hena dia afaka asiana totokena koa mba ampafilotra azy.
- Tsy atao be menaka rehefa manendi azy.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.