Carottes pimentées

Aza izy be carottes io no jerena fa masiaka be io. Nisy nangataka recette sakay somary miala amin’ny mahazatra. Ito ary ny carottes pimentées.

Isan’ny olona: 4 personnes

Fotoana ikarakarana azy: 5 mn

Fotoana iketrehana azy: 10 mn

Carottes pimentées

Akora ilaina

  • carottes,
  • huile,
  • ail, gigembre, sel, poivre, oignon,
  • curry,
  • curcuma,
  • vinaigre,
  • piment.

Fikarakarana carottes pimentées

  1. Rapena madinika ny carottes dia arotsaka anaty lapoaly efa misy menaka mafana kelikely.
  2. Rehefa masamasaka ny carottes dia arotsaka ny ail sy gingembre sy sel sy poivre sy oignon sy curry na curcuma sy vinaigre.
  3. Rehefa ritra ny vinaigre dia arotsaka ny sakay dia endakendasina tsara. 

    carottes pimentées
    carottes pimentées

Fanamarihana

  • Ampiarahana amin’ny tonon’akoho, aoka fotsiny.
  • Ampiarahina amin’ny sakafo andavanandro ihany koa, matsiro ery.
  • Ny sakay tsara ampisaina eto dia pilokely. Ny tsilandimilahy manitra be saingy tsy dia tsara ho an’ny vavony. Misy vovo-tsakay pilokely ireny no tena mety.

Mazotoa homana!

Veuillez noter l'article :