Mofo Anana Malagasy

Ity recette ity dia atao hoe mofo anana anefa tsy misy anana akory. Afaka atao ao anaty mofo-dipaina dia atao gouter hoan’ny ankizy.

Isan’ny olona: 4 personnes

Fotoana ikarakarana azy: 25 mn

Fotoana iketrehana azy : 10 mn

Akora ilaina

 

  • 3 œufs,
  • sel, poivre, huile,
  • 350 g de farine,
  • 50 cl d’eau,
  • tomates, oignons,
  • coriandre, ciboulette,
  • citron (facultatif).

 

Fikarakarana mofo anana

 

  1. Kapohana ny 3oeufs sy sel sy poivre. Rehefa be atody izy dia tsy mifoka menaka be.
  2. Arotsaka ny 350g de farine sy 50cl d’eau. Izany hoe tsy atao madity be.
  3. Arotsaka ny tomates sy oignons misimisy voatetika madinika sy coriandre ary ciboulette. Avela hilona 15mn dia endasina. Tsy mila menaka betsaka.
  4. Ampiarahana amin’ny citron sy carottes pimentées.

 

Fanamarihana

 

  • Azo asiana levure chimique.
  • Azo asiana tamotamo na carry ihany koa.

 

 

beignets aux brèdes
beignets aux brèdes

 

beignets de cressons
beignets de cressons

Mazotoa omana ary ô!

Nanolotra: Rova Andriantsoa.