Poulet surprise, nahandro gasy, azo atao laoka na apéritif.
Isan’ny olona: 4 personnes
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- viande de poulet ou filet de poisson,
- sel, poivre,
- viande de porc,
- coriandre, oignon,
- ail,
- farine,
- oeuf,
- chapelure,
Fikarakarana poulet surprise
- Tetehina fisaka manify ny nofon akoho (azo soloina filet de poisson), asiana sel sy poivre kely.
- Tetehina madinika kely ny nofo-kisoa sy coriandre sy oignon. Afangaro ireo, asiana ail sy sel sy poivre.
- Velarina ny nofon akoho, asiana farce ary ahorina. Ampandalovina vovoka farine kely, avy eo atody voakapoka, farany chapelure dia endasina amin’ny afo malefaka mandra-paha mendy ho masaka tsara ny farce.

Fanamarihana
- Azo atao amin’ilay farce koa ny fromage sy charcuterie.
- Ra nofokena ilay farce dia masahina aloha vao atao ao anatiny.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.