Charlotte patissière au chocolat fait maison.
Isan’ny olona: 6
Fotoana ikarakarana azy : 20 mn
Fotoana iketrehana azy : 1h
Charlotte patissière au chocolat
Akora ilaina
- 2 paquets biscuits GM (gouty teto) ,
- 3 oeufs ,
- 150g sucre ,
- 50cl lait masaka ,
- 3 mini-choco noir ,
- 6 boudoirs,
- 75g de farine ,
- 125g de beurre.
Fikarakarana Charlotte patissière au chocolat
- Potserina ho potika ka ahazoana pâte ny biscuits sy 50g beurre malemy tsara.
- Etaler-na ambony lovia ilay pâte azo dia ampidirina frigo mandra-pikarakara ny crème patissière.
- Manomboka eto ny fikarakarana ny crème patissière na flan patissier : kapohana mandra-paha-fotsy ny 3 oeufs sy 150g sucre.
- Eo ambony afo malefaka, empoina ny 75g beurre.
- Arotsaka anaty beurre miempo ny 75g de farine dia afangaro, avy eo ilay mélange oeufs sy sucre dia afangaro tsara.
- Avy eo dia arotsaka ny 50 cl lait efa masaka. Aroina foana mandra-pahazo crème marihitra sy matevina (afo malefaka hatrany). Rehefa vita dia avela hangatsiaka.
- Glaçage: Atao bain-marie ny 3 mini-choco noir sy 1 cuillère à café d’huile. Avela hiempo tsara dia aroina hifangaro.
- Montage: Tapahana roa avy ny boudoirs dia atsatoka amin ilay pâte biscuits sy beurre.
- Fenoina crème eo afovoany, atao mitovy tantana tsara dia araraka eo ambony ilay chocolat fondu nisy huile kely. Ampidirina frigo ho compact tsara.
Veuillez noter l'article :