Quiche lorraine

Quiche lorraine. Tsy mila crème fraiche ary natao tamin’ny vilany niaraka tamin’ilay tourte aux courgettes.

Isan’ny olona: 5

Fotoana ikarakarana azy : 20 mn

Fotoana iketrehana azy : 30mn

Akora ilaina

  • 250g de farine
  • 1/2 cuillère à café de sel
  • 1 cuillère à café de sucre,
  • 3 oeufs,
  • 100g beurre,
  • poivre,
  • 50cl de lait,
  • salami ou lardons

 

Fikarakarana quiche lorraine

Fikarakarana quiche lorraine
Fikarakarana quiche lorraine

Pâte brisée: 250g farine atao anaty bol mivelatra. Lavahana ny eo afovoany. Atao ao ny sel, sucre, 1 jaune d’oeuf, 100g de beurre malemy. Afangaro aminy lohatanana ireo. Afangaro ao ny farine. Asiana rano mamay kely hampitambatra ny pâte. Tsy volavolaina ela fa vao homogène dia fisahana.

Osorana beurre na huile ny moule, atao mahazo tsara ny sisiny sy ny coins raha moule rectangulaire na carré dia apetraka ny pâte.

Omanina ny « appareil »: kapohana ny 2 oeufs sy sel ary poivre. Arotsaka ny 50cl de lait efa masaka dia kapohana hifangaro tsara.

Apetraka eo ambony pâte ny oignons voatetika en rondelles avy nendasina sy ny salami voatetika en lamelles (na lardons somary nendasina kely).

Arotsaka ny appareil.

Apetraka ao anaty vilany gasy maina tsara ny moule. Atao ambony fatapera misy afo malefaka ambany ary mahery ambony sarom-bilany mivadika. cuisson 30mn eo hoe. Raha au four dia 200 degrés en 30mn koa.

Toy izao izy rehefa vita

Mazotoa mamerina !

© Rova Andriantsoa