Cheese cake au citron tsotsotra (sans cuisson)

Zaraiko aminao amin’izao ankatoky ny fety izao. Cheese cake au citron tsotsotra (sans cuisson).

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 20mn

Fotoana hiketrehana azy:

Akora ilaina

  • 2 paquets de biscuits secs (speculoos na zay tina);
  • 30g de beurre (mou ou ramoli);
  • 3 feuilles de gelatine;
  • 100g de sucre;
  • Fromage pateux 250g;
  • 3 citrons .

Fiarakarana Cheese cake au citron tsotsotra (sans cuisson)

  1. Totoina halemy ny biscuits dia ampina ny beurre, afangaro hitambatra tsara dia arafitra anaty moule na domes en silicone.
  2. Ampidirina anaty frigo mandritra ny 30mn farafakeliny mba hitambatra tsara.
  3. Alona anaty rano mangatsika ny feuilles de gelatine 3.
  4. Potserina ireo citrons dia ampangotrahina miaraka amin’ny siramamy.
  5. Rehefa vita izany dia arotsaka ao anatiny ilay gelatine avy nalona ka afangaro ho levona tsara. Esorina eo ambony afo ary alefa ao ny fromage ary kapohina mba ho lasa homogène. Somary mitsiranoka fa tsy maninona.
  6. Vita izay dia zaraina mitovy ao anatin’ireo domes dia averina anaty frigo mandritra ny 6H farafakeliny. Izay vao atao ny déco.

Fanamarihana

  • Ny hoditr’ireo citrons no nokikisana sy natao pozina rozikely.

Tsotra izy io fa tena tsara. Mirary fety sambatra ho an’ny rehetra.

Nanolotra : Vola Rakotovao

Jereo ihany koa:

Cake fait maison