Mbola laoka matsiro natao tamin’ny ovy ihany: croquettes de pommes de terre aux sardines.
Isany: 20 croquettes
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy :20 mn
Croquettes de pommes de terre aux sardines
Akora ilaina
- 1kg de pommes de terre,
- 1 boite de sardine (ou thon, saumon etc.),
- sel, poivre, coriandre, huile,
- ciboulette,
- 1 oeuf,
- chapelure
Fikarakarana croquettes de pommes de terre aux sardines
- Andrahoina ny ovy 1 kg dia potserina.
- Tsihifina ny sardine 1 boite dia potserina ao amin’ny ovy. Azo soloina nofo-trondro masaka toy ny thon, saumon, sns ihany koa ny sardine.
- Afangaro ao ny sel sy poivre sy coriandre sy ciboulette (tongolo maintso madinika) dia volavolaina boribory fisapisaka.
- Ampandalovina atody voakapoka ireo boulettes , avy eo chapelure dia endasina amin’ny menaka mafana tsara.

Fanamarihana
- Tsy atao mandifotra ny menaka rehefa manendy fa kely ihany dia ampy. Io zao 20 croquettes dia menaka atsasaky ny fahefany mbola nisy ambiny no nahavitana azy.
- Toy izao no fomba fanaovana ilay ovy: voasana de rapéna de ariana ny ranony satria mamoaka rano be izy io amle rappéna.
- Azo ampiarahina amin’ny salade ihany koa dia atao gouter ity laoka ity.
- Afaka asiana totokena ko izy de bolabolaina ho lasa henabaolina.
- Matsiro kokoa ra ampiarahina amin’ny vary gasy mena natao sosoa.
- Tsy asiana lafarinina.
Mazotoa homana!

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.