Recette de poivrons et tomates farcies à la façon malagasy

Poivrons et tomates farcies, azo atao laoka ihany koa. Mora atao sady tsy dia lafo.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 45 mn

Akora ilaina

 

  • Poivrons,
  • tomates,
  • chair à saucisse,
  • oignon, ail, sel, poivre, eau

Fikarakarana poivrons et tomates farcies

 

  1. Esorina ny vodina poivrons, esorina ny lohana tomates, samy esorina ny voany.
  2. Afangaro ny chair à saucisse sy oignon voatetika madinika sy ail sy sel sy poivre kelikely.
  3. Asesika anaty poivrons sy tomates ny farce.
  4. Alahatra anaty vilany ny poivrons sy tomates, asiana rano 1/2 verres. Avela ho masaka sy ho ritra tsara (en principe tokony hitera-menaka ny chair à saucisse ka tsy mila menaka intsony).

Fanamarihana

 

  • Nosesefana tao anaty tomates ny farce raha nisy ambiny ity farce anefa tsy nisy poivron intsony.
  • ny chair à saucisse dia ferme be rehefa atao farce ka noho izany dia tsy ataorana ivoraka ny farce.
  • Afaka masahana ao anaty lafaoro ihany koa ity laoka ity.
  • Mitombo kokoa ny tsiro ra ampiarahina amin’ny sakay, hoantsika izay mahazaka sakay.

Mazotoa homana!

Poivrons farcies et tomates
Poivrons farcies et tomates

©Rova Andriantsoa