Entrée na goûter: Croustillant au poulet revisité à la façon malagasy. Pate à nem novidiana teny an-tsena no nampiasaina teto fa tsy pate namboarina.
Isan’ny olona: 4 personne
Fotoana ikarakarana azy : 10 mn
Fotoana iketrehana azy: 10 mn
Akora ilaina
- Pate à nem,
- chair de poulet (nofon’akoho),
- oignon, ail, sel, poivre,
- farine, eau,
- huile,
Fikarakarana croustillant au poulet
- Mixer-na na tetehina madinika ary kapokapohana amin’ny rouleau à patisserie ny nofon’akoho.
Afangaro ao ny oignon rapé sy ail voatoto sy sel ary poivre. - Velarina ny pate a nem, asiana farce dia fisahana amin’ny sotro ary avy eo akatona toy ny valopy. Somary hidina amin’ny colle. Ny colle eto dia farine sy eau atao madity be.
- Osorana huile toy ny manao crêpe ny lapoaly dia avela hendy sy hikarepoka ny faces roa. Atao afo malefaka ho masaka ny farce ary saromana.
Fanamarihana
- Andrasana mafanafana ny lapoaly saingy tsy atao mamay be rehefa manendy azy.
- Tsy alona anaty menaka ny croustillant. Ny hafanana no manamasaka ny farce ary ilay menaka kely miosotra amin’ny lapoaly no mampikarepoka ny pate.
- Eny amin’ny pavillon misy pate a nem, 500ar ny paquet de 20.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa